Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Slalom – Tacs 2018: voalohany teo amin’ny 2RM i Mika TMF

Slalom – Tacs 2018: voalohany teo amin’ny 2RM i Mika TMF

Nafana vay ny fifaninanana “Slalom Tac’s” ny faran’ny herinandro teo. Samy niady mafy ireo mpanamory mpandray anjara saingy Rasoamaromaka Mika no tompon-teny farany ka nibata ny amboara.

Notontosaina, teny amin’ny Circuit Ivato, ny asabotsy 10 sy omaly alahady 11 novambra, ny dingana fahenina amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja slalom. Fihaonana, nokarakarain’ny klioba Tacs. Nisongadina teo amin’ny “2 roues motrices” Rasoamaromaka Mika, avy amin’ny klioba TMF, nitondra ny fiara Citroën C2. Norombahiny ny laharana voalohany, tamin’izany.  2 mn 49.43 s ny fe-potoany. Nampiseho ny fahaiza-manaony i Mika, tamin’ity. Nitarika hatrany ny tovolahy teo amin’ireo “manches” roa nifaninanana. Teo amin’ny “1 ère manche”, 2 mn 51.64 s ny vitany, izany hoe, 1 mn 25.89 s teo amin’ny “piste A” raha 1 mn 25.75 s teo amin’ny “piste B”. Mbola izy hatrany no voalohany teo amin’ny “manche” faharoa. Nitana ny laharana faharoa, Rakotomiarana Tsiory avy amin’ny FMMSAM, nitondra ny fiara Peugeot 106, nahavita ny hazakazaka tao anatin’ny 2 mn 50.34 s ary fahatelo, Rasoamaromaka Faniry, nitondra Citroën C2, avy amin’ny TMF.

I Jouvelin (Joujou), mpanamory ny MSA, kosa ny voalohany teo amin’ny “cross car”, nanana fe-potoana 3 mn 02.42 s. I  Danielson Haja, avy amin’ny TMF, ny nahazo ny fandresena teo amin’ny “4 roues motrices”, nahavita ny fifaninanana tao anatin’ny 2 mn 50.50 s.

 

Torcelin

 

Les commentaires sont fermées.