Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rugby – «Gold Top 20»: resin’Ikopa ny Bemasoandro

Rugby – «Gold Top 20»: resin’Ikopa ny Bemasoandro

Nitohy tetsy amin’ny kianja Makis, omaly alahady, ny andro fahenina amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “Gold Top 20”. Nisongadina ny fandresena miezinezina azon’ireo ekipa vaventy. Anisan’izany ny nandavoan’ny FTM ny JSTA Ambondrona, tamin’ny isa 64 no ho 3. Tsy niady ny fihaonana fa nanjaka tokana ry Koroka sy ry Mika, teo amin’ny taktika sy ny tanjaka.

Efa tany amin’ny minitra farany kosa vao nivoaka ho mpandresy ny US Ikopa, nanoloana ny FBM Bemasoandro, nisaraka tamin’ny isa, 23 no ho 21. Nitarika anisa hatrany anefa ny FBM, nahatonga baolina nentin-tanana roa, tamin’ity. Nanohitra hatrany kosa ny Ikopa, na nilalao 14 aza, taorian’ny karatra mena azon’i Solofo teo amin’ny minitra faha-70.

Tany Toamasina, nomontsanin’ny Cosfa (Bebaoty), tamin’ny isa 110 no ho 10, ny ekipan’Atsinanana ary resin’ny XV Avenir tao an-kianjany, tamin’ny isa 21 no ho 17, ny Boeny.

 

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.