Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Notsarovana ireo miaramila maty niady ho an’i Frantsa 

Notsarovana ireo miaramila maty niady ho an’i Frantsa 

Notsarovana, tetsy Anosy sy tany Frantsa, ny faha-100 taona nitsaharan’ny Ady lehibe voalohany. Nisy ny fametrahana fehezam-boninkazo ahatsiarovana ireo miaramila malagasy 41 000 niady ho fanafahana an’i Frantsa tamin’izany ady izany. Notanterahina tetsy amin’ny Anjely mainty, etsy amin’ny farihin’Anosy, ny teto amintsika ny fanamarihana izany, omaly, raha tany Bois de Vincennes Frantsa kosa ny any Frantsa, ny asabotsy teo.

Ho an’ny eny amin’ny boriborintany fahenina indray, notsarovana tamin’ny alalan’ny hetsika kolontsaina izany, teo amin’ny tsangambato eny an-toerana.

30 mahery ireo maty tsy hita nanjavonana

Maherin’ny 30 ireo zanak’Ambohimanarina lavo tamin’izany ady ho fanafahana an’i Frantsa izany ary tsy hita faty. Nikarakara ny fanamarihana izany ny fikambanana Teboka Taratra sy ny eo anivon’ny Unesco. Teo ny vakisaova sy ny hira, narahin’ny tantara. Ny fandrehetana jiro hanehoana fa tsy maty ny fanilo sy ny fitiavan-tanindrazana.

Tsiahivina fa tsaroana isaky ny 11 novambra  izany vanim-potoana, nanaovana sonia ny nampitsaharana ny Ady lehibe ny taona 1918, izany.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.