Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nivoaka ny fonja vao herinandro: tratra namaky trano indray ireo andian-jiolahy

Nivoaka ny fonja vao herinandro: tratra namaky trano indray ireo andian-jiolahy

Nifanehatra tamin’ny zandary mpanao fisafoana amin’ny alina niaraka tamin’ny andrimasom-pokonolona ireo jiolahy namaky trano tao Ambatohasina, fokontany Betsizaraina, kaominina ambanivohitr’Ambohimangakely, ny zoma lasa teo…

Nivoaka ny fonja vao herinandro monja ny roa amin’ireto jiolahy ireto raha tafaporitsaka kosa ny naman’izy ireo. Mbola tratra teny amin’izy ireo ny entana rehefa efa tafavoakan’izy ireo tao amin’ilay trano novakiny. Isan’izany ny radio, ny telefaonina, ny bateriana fiara ary ny kojakoja an-tokantrano ka efa tafaverina amin’ny tompony avokoa, raha ny tatitra nampitain’ny zandary. Rehefa natao ny famotorana ireo jiolahy voasambotra ireo, nanondro ireo namany nandositra izy ireo ka voasambotra ny iray raha mbola eo am-pikarohana ilay jiolahy fahefatra kosa ny zandary. Nandritra ny famotoran’ny zandary hatrany no nahalalana fa efa maro ny toerana nanaovan’izy ireo ny asa ratsiny toy ny eny Ambohipeno, ny eny Ambohimanambola, ny eny Avaratrankarongana, ny eny Fiaferana ary ny faritra Ambohimangakely. Tratra niaraka tamin’izy ireo koa ny karazana fanalahidy marobe fanaovan’izy ireo ny asa ratsiny. Natolotra ny fampanoavana, ny asabotsy teo, ry zalahy ireto taorian’ny famotorana nataon’ny zandary ka naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora miandry ny fotoam-pitsarana azy ireo. Nohamafisin’ny zandary fa niverina nanjohy ireo namany ao anatina fikambanan-jiolahy ireto jiolahy efa mpamerin-keloka ireto ary izao noraisim-potsiny izao indray.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.