Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Niditra an-tsehatra ny Sif: mitaky ny taniny ny eny Laniera

Niditra an-tsehatra ny Sif: mitaky ny taniny ny eny Laniera

Nanao hetsika fanoherana. Velon-taraina ny mponina eny Ivato sy Antehiroka ary Ambatolampy manoloana ny velaran-tany 610 ha eny Laniera, bodoin’ny olona iray ary efa nahazoany “titre”. Tsy hanaiky hatramin’ny farany anefa izy ireo ary nampanantena ny hijery izao raharaha izao ny eo anivon’ny Sehatra iombonana ho an’ny fananan-tany (Sif). Nambaran’ireo mponina fa nohajarin’izy ireo nanomboka ny taona 1963 ka hatramin’izao ny tany. Efa ahitana foto-piveloman’izy ireo izany, toy ny tanimbary, ny dobon-trondro, ny rano ivelomana… Efa nomen’ny fanjakana hohajarin’ireo tantsaha io tany io amin’ny alalan’ny MVR, ny taona 2000. Natao koa ny famindram-pitantanana ny rano ny taona 2006, niandraiketan’ny fikambanan’ny mpampisa rano. Midika izany fa neken’ny fanjakana ny hitantantan’ny vahoaka izany rano izany. Gaga anefa ireo mponina avy amin’ny tokantrano 950 mivelona eo fa efa nahavitana “titre” miisa 42 izany tany izany ny taona 2016. Tsy nahalala izany izy ireo sy ny sefo fokontany. Efa nangataka ny hanotofana ny tany ireo milaza ho tompony, saingy nolavin’ny minisitera izany.

Nambaran’ny Sif, nidina teny an-toerana ny asabotsy teo, fa tokony ho an’ireo tantsaha efa nanajary izany ny “titre”. “Tokony ho nanao fanadihadiana naka ny hevitry ny mponina eny ifotony ny fanjakana”, hoy ny eo anivon’ny Sif.  Hangataka ny eny anivon’ny fitsarana izy ireo hanafoanana ny “titre” efa azon’ireo milaza fa tompon’ny tany ka haverina ho an’ny vahoaka ny taniny .

Randria

 

Les commentaires sont fermées.