Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Maroantsetra: lehilahy iray nahatrarana rongony 65 kg

Maroantsetra: lehilahy iray nahatrarana rongony 65 kg

Saron’ny zandary tao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Morafeno, distrikan’i Maroantsetra, ny alakamisy lasa teo, ny lehilahy iray niaraka tamin’ny rongony natao tanaty kitapo maromaro ary mitotaly 65 kg. Zandary avy ao amin’ny “poste avancé” Rantabe izay voairaka hitandro ny filaminana nandritra ny androm-pifidianana no nahazo loharanom-baovao momba ny fandalovana olona mpanao trafikana zava-mahadomelina ao an-toerana ka nandray fepetra nanao ny fikarohana azy io. Voasakana avy hatrany tokoa ilay lehilahy, tsy nanampo na inona na inona niaraka tamin’ireo rongony ireo. Nogiazan’ny zandary ireo gony miisa enina nisy ireto zava-mahadomelina ireto. Nilaza izy, nandritra ny famotoran’ny zandary, fa avy any Mandritsara ny nividianany ireo ary saika mbola haparitany amina tanàn-dehibe hafa.

Hatolotra ny fampanoavana, anio, ity lehilahy ity ary hodorana eo imasom-bahoaka sy ny manampahefana ireo rongony nogiazan’ny zandary.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.