Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

«Kônferansa momba ny soratra » 2018: voarakitra anaty boky ny  votoatin-kevitra

«Kônferansa momba ny soratra » 2018: voarakitra anaty boky ny  votoatin-kevitra

Hetsika kolontsaina sy fanabeazana manomboka mahazo vahana ny « Kônferansa momba ny soratra ». Manomboka manana ny lanjany ihany koa satria nahitana fivoarana lehibe hatrany raha oharina amin’ny teo aloha.

Tontosa soa aman-tsara, ny asabotsy 10 novambra teo tao amin’ny Haitsiron’Iarivo eny Alarobia,  ny « Kônferansa momba ny soratra » andiany faharoa na ny « KMS 2018 ». Hetsika ho fampitiavana sy ho fampivelarana ary ho fampiainana hatrany ny tontolon’ny soratra sy ny teny fanaon’ny vondrona Koloko sy hajaiko ny teniko (KHT). Anisan’ny nisongadina indrindra tamin’izany ny nivoahan’ny boky « Kônferansa momba ny soratra andiany faharoa » (KMS 2018). Voarakitra ao anatin’io boky io avokoa ny votoatin’ny velakevitra nataon’ireo efatra mianadahy teny an-toerana. Tafiditra ao anatin’ity boky ity avokoa ireo hevi-baventy sy mafonja narahim-panazavana feno tanteraka nandritra ny famelabelaran-kevitra nataon’Andrianimerina Hobiana, i Riambola Mitia, i Sitraka Feno Tanteraka ary i Na Hassi. Mpandaha-teny izay samy nanamafy rahateo ny lanjan’ny boky eo amin’ny fampivoarana ny isam-batan’olona sy ny fiarahamonina ary ny firenena iray manontolo mihitsy. I Johana Ra, mpanolotsaina ao amin’ny Zoromanga, no nanoratra ny « Teny mialoha » ary i Soamiely Andriamananjara, tonia mpanatanteraka ao amin’ny Takelaka Tsara Soratra, kosa ny nanao ny teny farany ao amin’ny fonon’ny boky.

Nafana ny fifanakalozan-kevitra

Samy nanan-danja lehibe ho an’ny mpanatrika avokoa ireo lohahevitra efatra novelabelarina nandritra ity « KMS 2018 » ity. Vokatr’izay, nafana ny fifanakalozan-kevitra teo amin’izy ireo. Anisan’ny goavana tamin’izany ny tokony hatao hiatrehana ireo lesoka mahatonga ny teny malagasy hiala tsikelikely eny am-bavan’ny Malagasy tompony. Tao koa ny olana momba ny fanabeazana tsy mifaka amin’ny maha Malagasy ka mampitsingevana zavatra maro, sns.

Natsidiky ny mpanatrika teny antsefantsefan’ny fifanakalozan-kevitra teny ihany koa ny tokony hanatanterahana fifaninanana maro eo amin’ny tontolon’ny soratra. « Hitondra finiavana sy fampirisihana ary fikarohana bebe kokoa ho an’ny mpanoratra sy izay vonona ny hanoratra ny fisian’ireny fifaninanana ireny », hoy ireo nambaran’ireo nifanakalo hevitra.

Nipoitra nandritra ny « KMS 2018 » ihany koa ny tolo-kevitra ny amin’ny tokony hamoahan’ny KHT revio hirakitra asa soratra voafantina.

Marihina fa nanohana hatrany tamin’ny fanatontosana ny « KMS » ny Haitsiron’Iarivo sy ny Zoromanga.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.