Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra: fantatra ireo hidona amin’ny Cnaps sy ny Elgeco

Kitra: fantatra ireo hidona amin’ny Cnaps sy ny Elgeco

Ny FC Platinunm avy any Zimbaboe ho an’ny Cnaps Sport, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Ligue des champions” ary ny Deportivo Unidad avy any Ginea Ekoatorialy kosa ny hifanehatra amin’ny Elgeco Plus, ho an’ny fiadiana ny “Amboaran’ny kaonfederasiona”, taranja baolina kitra.

Samy hiatrika lalao savaranonando avokoa ireo solontena malagasy ireo, amin’ity fifaninanana afrikanina ity. Itovian’ny ekipa roa tonta ihany koa satria samy handray ny lalao mandroso avokoa na ny Elgeco Plus na ny Cnaps Sport. Ny anarana fotsiny no vaovao amin’ny sofin’ny Malagasy fa firenena efa diso fantatra tsara na ny Gineanina na ny Zimbaboeanina. Raha tafavoaka eo ny Cnaps Sport, hifanandrina amin’izay afaka eo amin’ny Club Desportivo 1 de Agosto avy any Angola sy ny AS Otoho avy any Kongo, eo amin’ny ampaha-16-n-dalana. Hifanandrina amin’ny Elgeco Plus, raha toa ka afaka izy ireo, izay mandresy eo amin’ny Kaizer Chiefs sy ny Zizamoto Zanzibar.

Hotanterahina ny 27 na 28 novambra ho avy izao ny lalao mandroso ary ny 4 na 5 desambra kosa ny fihaonana miverina.

 

Tompondaka

 

Les commentaires sont fermées.