Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

«… Hitory ny fiderana Azy…»: nahatafita hafatra ny « Mila midera 2 »

«… Hitory ny fiderana Azy…»: nahatafita hafatra ny « Mila midera 2 »

Anisan’ny hetsika fanao sy ahafantarana ny Association des jeunes chrétien ny fanatanterahana rindrankira fiderana ahitana mpandray anjara maro. Tontosa tetsy amin’ny CCEsca Antanimena, omaly, ny « Mila Midera 2 », niompana tamin’ny lohahevitra «… Hitory ny Fiderana Azy… ».  Seho an-tsehatra nahatafita hafatra ho an’ny mpijery satria ankoatra ny fifalian’ny maso, nifantoka tanteraka tamin’ny zava-boalaza sy nitranga teny an-tsehatra izy ireo. Hitan’ny maso sy ny ren’ny sofina ka niteraka fihavaozana sy aim-panahy vaovao indray ho azy ireo.

Na ireo mpanakanto nasaina na ny Association des jeunes chrétien, samy nahatontosa ilay fampitan-kafatra avokoa hany ka tao anatin’ny hafanana ny nifamatoran’ny teny an-tsehatra sy ny mpijery.

HaRy Razafindrakoto

 

Les commentaires sont fermées.