Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tenisy – Tompondaka nasionaly: nanao pao-droa i Romméo sy i Safidintsoa

Tenisy – Tompondaka nasionaly: nanao pao-droa i Romméo sy i Safidintsoa

Nifarana omaly ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara amin’ny taranja tenisy. Fifaninanana izay notontosaina teny amin’ny kianjan’ny ASUT teny Ankatso. Hita ho nitombo ny traikefan’ireo raketra malagasy satria niady ny lalao. Nisy ihany anefa ireo tena nisongadina. Teo amin’ny sokajy lehilahy, nanao pao-droa Rakotomalala Romméo. Niondrika nanoloana azy Rasendra Fenosoa tamin’ny seta 2 noho 0, ho an’ny sokajy 2S. Mbola i Romméo ihany koa no nibata ny fandresena teo amin’ny 3S rehefa avy nifanandrina tamin-dRakotondramanga Ntsoaferantsoa (6/1 6/1).

Nisongadina tamin’ny sokajy vehivavy kosa i Nomenjanahary Safidintsoa. Fandresena roa no azony nanoloana ireo mpifanandrina izay efa manana haavo teknika ambony avokoa, dia Rakotohasy Elsie sy Rakotondramboa Fitia ary isa mavesatra no nandavoan’i Safidy ireo mpifanandrina taminy ireo, nandritra ny lalao famaranana, omaly alahady.

 

Mi.Raz

 

Ireo valin-dalao tamin’ny lalao famaranana:

 

Sokajy lehilahy:

1S: Ratsimandresy Andritoavina 6/1 6/2 Randriamampionona Julien

2S: Rakotomalala Romméo 6/1 3/1     Rasendra Fenosoa

3S: Rakotomalala Romméo 6/1 6/1 Rakotondramanga Ntsoaferantsoa

4S : Rakotoarilala Tsiorisoa 0/6 6/2 6/3 Marius

 

Sokajy vehivavy:

1S: Tsantaniony Iariniaina 7/6 6/3 Radilofe Sariaka

2S: Nomenjanahary Safidintsoa 6/7 7/5 6/1 Rakotohasy Elsie

3S: Nomenjanahary Safidintsoa 6/2 6/0 Rakotondramboa Fitia

4S : Rakotoarilala Landy 6/2 6/1 Andrianafetra Miarana

Les commentaires sont fermées.