Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rugby – «Gold Top 20»: tsy nahatohitra ny Cosfa ny 3FB

Rugby – «Gold Top 20»: tsy nahatohitra ny Cosfa ny 3FB

Nitohy, tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny andro fahadimy amin’ny fifaninanam-pirenena, taranja rugby “Gold Top 20”. Anisan’ny fihaonana nandrasan’ny rehetra, ny fihaonana teo amin’ny Cosfa (Bebaoty) sy ny 3FB (Fahasalamana). Resin’ny Bebaoty, tamin’ny isa 37 no ho 20 ry zareo Zef’Be, tamin’ity. Niady ny fihaonana teo amin’ny roa tonta na somary henjankenjana aza ny fifandonana. Nitarika an’isa ny 3FB, notarihin-dry Kotolala, Julio, Rabe, Tolotra sy ry Rija. Nanenjika hatrany kosa ny miaramila nahitana an-dry Ismael. Nihoarany tsikelikely ny 3FB nanomboka teo amin’ny fizaram-potoana faharoa.

Tamin’ny moka fohy, 37 no ho 35 kosa nandavoan’ny TFA ny Savony. Lavon’ny SCB Besarety, tamin’ny isa 13 no ho 9 ny US Ikopa ary 8 no ho 6 nanilihan’ny XV Fa ny VTMA. Samy resy avokoa ireo ekipa avy any amin’ny faritra tamin’ity. Nomontsanin’ny FTM, 72 no ho 10 ny Boeny ary niondrika teo anatrehan’ny UIRC, 25 no ho 18 ny Antsinanana.

 

Tompondaka

 

Les commentaires sont fermées.