Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nanafatrafatra ny Ceni: « Hifarana anio, alina ny propagandy… »

Nanafatrafatra ny Ceni: « Hifarana anio, alina ny propagandy… »

Hafatra faramparany. “Hifarana rahampitso alatsinainy (anio) amin’ny misasak’alina ny fampielezan-kevitra. Voararan’ny lalàna ny fanaovana propagandy aorian’izany, na amin’ny fihetsika na fiteny mitaona ny olona hanohana kandidà. Tsy azo atao intsony koa ny mamory vahoaka na mametaka afisy. Tahaka izany koa ireo dokan’ireo kandidà amin’ny haino aman-jery”, hoy ny filoha lefitry ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, omaly.  Nambarany fa tokony hajaina ny lalàna ary efa tokony hiomana am-pitoniana amin’ny latsa-bato ny rehetra. Anisan’izany ny fanamarinana farany any amin’ny fokontany ny lisi-pifidianana na ny fijerena izany, dieny izao. “Entanina ny rehetra mba hanao izany mba tsy hanahirana rehefa any amin’ny birao fandatsaham-bato….”, hoy ihany izy. Notsiahiviny fa hisokatra amin’ny 6 ora maraina ny BV ary hikatona amin’ny 6 ora hariva izany.  Nambaran’ny Ceni koa fa olona efatra avy amin’izy ireo ihany ny misahana ny fanisam-bato. Tsy maintsy soniavina ny tatitry ny voka-pifidianana (PV) ary entin’ny filohan’ny BV sy ny sefo fokontany any amin’ny SRMV izany.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.