Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra: tsy raikitra ny fifidianana ny filohan’ny federasiona (FMF)

Kitra: tsy raikitra ny fifidianana ny filohan’ny federasiona (FMF)

Tsy nampoizina ny zava-nisy teo amin’ny fifidianana izay ho filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Tsy raikitra fa voatery hahemotra amin’ny fotoana manaraka, ny fandatsaham-bato.

Tsy tontosa, ny asabotsy 3 novambra lasa teo, ny fifidianana izay ho filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Latsa-bato izay tokony ho notanterahina tany Sambava. Tsy tratra ny fetrisa, na ny “quorum”, ka voatery naato izany, araka ny lalam-pifidianana. Filoha-na ligim-paritra miisa 14 amin’ny 22 tokony handatsa-bato ihany mantsy no tonga tany an-toerana. Mila mahatratra ny antsasa-manilan’ny mpifidy, izany hoe : 15 amin’ny 22 vao azo aroso ny latsa-bato.

Nambaran’ny filohan’ny vaomiera nasionalin’ny fifidianana (Ceni) fa araka ny lalàna, averina afaka 48 ora ny fifidianana ka tokony ho amin’ity alatsinainy ity, no hanaovana izany. Tsy fantatra anefa na ho tanteraka ihany izany na tsia satria efa niverina namonjy ny fodiany ireo filohan’ny ligy sasantsasany. Etsy an-kilany, mbola mila manao fiantsoana vaovao ho an’ireo filohan’ny ligy indray ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF).

Ankoatra izay, voasakana teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, Rakotoarimanana Henintsoa (Tota), filohan’ny ligin’Analamanga, ny asabotsy lasa teo, raha nikasa ny hihazo an’i Sambava, hiatrika ny fifidianana. Voalazan’ny loharanom-baovao, fa resaka varotra tany, no nahavoasaringotra azy, ka nisamboran’ny polisy azy, tamin’izany. Rehefa natao moa ny fakana am-bavany azy dia navotsotra izy .

Niala i Neypatreiky

Manoloana ity tsy fahatanterahan’ny fifidianana  tamin’ny asabotsy ity,  nanambara tamin’ny fomba ofisialy, Rakotomamonjy Neypatreiky, fa niala tsy ho anisan’ireo kandidà, hifaninana. Ankoatra izay, efa manangasanga ny sazy henjana avy amin’ny federasiona iraisam-pirenen’ny baolina kitra (Fifa), raha tsy tontosaina amin’ity alatsinainy ity, izany. Anisan’ ny mafy indrindra amin’izany, ny tsy fahazoan’ny Barea de Madagascar, miatrika ny “Can 2019” fa avy hatrany dia “disqualification”.

Haato ihany ny lalao hikatrohana amin’i Soudan, izay tokony hatao eto Madagasikara, ny 18 novambra, ho avy izao.  Ankoatra izay, mety hisy koa ny lamandy tsy maintsy hefain’ny Malagasy.

 

Tompondaka

 

Les commentaires sont fermées.