Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Eglizy katolika –Diosezin’i Mahajanga: nodimandry ny Mgr Rakotondrajao Roger Victor

    Eglizy katolika –Diosezin’i Mahajanga: nodimandry ny Mgr Rakotondrajao Roger Victor

    Misaona ny Eglizy Katolika Apostolika Romana. Nodimandry ny sabotsy 3 novambra teo tao amin’ny Clinique Ankadifotsy Antananarivo, ny Evekan’i Mahajanga, Mgr Rakotondrajao Roger Victor Solo. Notendren’ny papa Benoît XVI ho eveka mpanampy tao Mahajanga izy nanomboka ny taona 2008, ary nandray io andraikitra io feno rehefa nametra-pialana, noho ny antony ara-pahasalamana ny Mgr Randrianasolo Joseph Ignace, 2 febroary 2010, izay efa nodimandry ihany koa andro vitsy taorian’izay.

    Fotoan-dehibe nanokanany ny heriny manontolo ny fandraisana ny fihaonamben’ny tanora katolika tany Mahajana (JMJ-9) ny volana oktobra teo. « Hoento hatrany am-paravazatany ny Lakroa mariky ny famonjena », hafatry ny Papa Joany Paoly II, nampitainy tamin’ireo tanora nandritra ny fandraisana ny Lakroan’ny JMJ. Nanentanany ny tanora rehetra ny firaisankina ho fitandroana ny rariny sy ny marina.

    Nanendry azy ho mpiahy ny vaomieran’ny « Justice et paix » sy ny fonja ny Fivoriamben’ny eveka eto Madagasikara. Nandraisany fanelanelanana ny raharaha ady tany tao Soamahanina. « Ny politika ho an’ny Fiangonana katolika dia fanasoavam-bahoaka, ary izahay dia mampirisika ny lahika mba handray an-tanana ny adidiny hanasoavana ny olona sy ny firenena », hoy izy  (Gazety Lakroan’i Madagasikara).

    Teraka ny 26 marsa 1960 izy, nohamasinina ho pretra ny 19 jolay 1990 tao amin’ny diosezin’i Miaranirivo. Ankoatra ny fianarana lalàna nataony, nianatra manokana momba ny lalàn’ny Eglizy (droit canonique) tany Paris ny Mgr Rakotondrajao Roger Victor Solo.

     

    R.Mathieu

    Les commentaires sont fermées.