Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Antoko Aba: « Aoka hifanaja »

Tsy mbola tara. Naneho ny heviny mialoha ny fifidianana ny Antokom-bahoaka (Aba). Nametraka ahiahy izy ireo ka miantso ny fandraisana andraikitra, indrindra amin’izao dingana farany amin’ny propagandy izao. “Aoka ho tandrovina hatrany ny demokrasia amin’ny fanehoan-kevitra anaty fifanajana, hisorohana ny korontana sy ny herisetra mety hitondrana takaitra maharitra”, hoy ny filoha nasionaly, Rakotoson Herintsoa Dany

Mitaky ny fandraisana andraikitry ny manampahefana ihany koa ny tenany manoloana ny fihoaram-pefy amin’ny raharaham-pifidianana. Anisan’ny mety ho antony hitarika korontana ny fandikana ny lalàna mifehy ny fifidianana, ny fanohizana ny fanaovana tsapan-kevitra « sondage », efa norarana ary ny mety ho famoahana voka-pfidianana ataon’ny rafitra tsy manam-pahefana amin’izany.  “Finiavana hanitatra ny fijalian’ny vahoaka ny fampihemorana, na fanafoanana ny fifidianana”, hoy ny Aba.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.