Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Andron’ny fifidianana: hifady hanina ny FMFOI

Haseho amin’ny fomba hafa. « Hoentinay am-bavaka sy amin’ny alalan’ny fifadian-kanina ny hiatrehantsika ny fifidianana ny andron’ny alarobia ho avy izao”, hoy ny eo anivon’ny fiangonana FMFOI, tarihin’ny pasitera Benjamina, omaly. Nambarany fa natao izany mba hisy filoha voafidy ary hipetraka  eto amin’ny firenena ny filaminana. Na izany aza, nanteriny fa tsy miditra velively amin’ny raharaha politika ny fiangonana tarihiny. “Mitandrina ny didin’Andriamanitra ary manana tarigetra hanomana ny olona ho amin’ny fanjakan’Andriamanitra izahay. Tsy manohana kandidà koa amin’izao fifidianana izao, na mpanao politika izany na mpitondra fivavahana”, hoy ihany izy. Mitana ny andraikitra amin’ny maha fiangonana azy ny FMFOI amin’ny alalan’ny vavaka. Hotanterahin’izy ireo izany amin’ny andron’ny latsa-bato, ny alarobia ho avy izao.

Synèse R.  

Les commentaires sont fermées.