Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Savainomby – Manja: andian-dahalo nangalatra omby miisa 250

Savainomby – Manja: andian-dahalo nangalatra omby miisa 250

Nihorohoro indray ny mponina ao an-tanànan’i Savainomby, fokontany Malandira, kaominina ambanivohitr’i Beharona, distrikan’i Manja, nandritra ny fanafihan-dahalo miisa 80 eo ho eo niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika. Lasan’ireo malaso, nandritra ny fanafihana ny omby miisa 250. Nirefodrefotra ny poa-basy nandritra ny fifandonana satria tsy nanaiky lembenana ny fokonolona fa niezaka nanohitra ireo malaso. Nizotra nihazo an’Ampefy Atsimo ny lalan’ireo dahalo nandroaka ny omby. Nahazo antso avy hatrany ny zandary avy ao amin’ny kaompanian’i Manja ka niroso tamin’ny fanarahan-dia nampian’ny fokonolona. Nisy ny fifampitifirana tao amin’ny kizo ao Ampefy. Vokany, tafaporitsaka ireo malaso, saingy navelan’izy ireo kosa ny omby. Tafaverina amin’ny tompony ireo omby halatra. Avotra soa aman-tsara tsy nisy naninona kosa ireo mpanara-dia.

Dahalo iray koa tsy afa-nanohy ny asa ratsiny intsony taorian’ny fifandonan’ny zandary sy ny dahalo, nandritra ny halatra omby tao amin’ny fokontany Antsahatanteraka, kaominina ambanivohitr’i Tsinjoarivo, distrikan’i Fenoarivobe, ny talata lasa teo. Dahalo miisa dimy niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana no tompon’antoka tamin’izany. Lasan-dry zalahy ny omby tao am-balan’ny fianakaviana iray. Nisy ny fifandonana tao Betamena, fokontany Miaramandroso tamin’io fotoana io, ihany ka voatifitra ny dahalo iray. Tafaverina kosa ny omby rehetra. Mitohy ny fanarahan-dia ataon’ny zandary any an-toerana.

J.C

Les commentaires sont fermées.