Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kandidà Rajoelina: “Hanova ny tantara isika amin’ny 7 novambra”

Kandidà Rajoelina: “Hanova ny tantara isika amin’ny 7 novambra”

Anisan’ny distrika nolalovan’ny kandidà Rajoelina, omaly, ny any Vohémar sy Amboahangibe Antalaha… “Hanova ny tantaram-pirenena isika afaka andro vitsy… Velirano ny antsika fa tsy programa ka tsy maintsy tanterahina ny tenenina rehetra”, hoy izy.  Nanteriny fa mila filoha mavitrika, matanjaka, manana vina, tia tanindrazana sy mahavita azy ny firenena. Natsidiny sahady amin’ny maha faritra mpamokatra lavanila ny any an-toerana, hijanona eo an-toerana ihany ny ampahany amin’ny vola hetra amin’izany vokatra izany, hampandrosoana ny tanàna. Betsaka ny tetikasa hatao, araka ny nambarany ary ny fandrosoana tsy hita teto nandritra ny 58 taona, hotanterahina ao anaty fotoana fohy.

Tafiditra amin’ny hamehana ny fiahiana sosialy …

Nitondrany valiny avokoa ny hetaheta sy ny fanirian’ny vahoaka amin’ireo faritra ireo. Anisan’izany ny hanomezana fitaovana hitrandrahana rano isaky ny fokontany hahazoanaa rano madio fisotro. Hatao manara-penitra ny tsena ao Vohémar . Hatao maimaimpoana ny fitsaboana ny zaza latsaky ny 5 taona. Hatao manara-penitra ny kianja amin’ireo tanàna ireo. Handefasana fiara fitsaboana miaraka amin’ny fanafody koa ny any Sava, mialoha ny hahavitan’ny hopitaly manaram-penitra.

Randria

 

Les commentaires sont fermées.