Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fivoy-Toamasina: nalana ny fako teo Bazarikely

Fivoy-Toamasina: nalana ny fako teo Bazarikely

Efa tsy misy ataon’ny kaominina ao Toamasina ambonivohitra intsony fa ireo rehetra manana zotom-po sy tia tanàna madio no mandray andraikitra araka izay mifanandrify aminy. Nanadio tanàna sy tsena ary nanamboatra ny lavadavaka amin’ny godirao ny mpiandraikitra ny fandraharahana ny fonja. Ho an’ny fikambanana sosialy Fivoy kosa, notarihin’ny solombavambahoakan’ i Toamasina, ny dokotera Ndahimananjara Johanita Benedicte, tao anatin’ny roa herinandro isaky ny alatsinainy, manaisotra ireo fako mivangongo etsy Bazarikely ny fandaharam-potoan’izy ireo ary mbola hitarina amin’ny tsena hafa aty aoriana. Tanjona ny hisorohana ny valanaretina samihafa avy amin’ny fako miparitaka eny rehetra eny.

Sajo

Les commentaires sont fermées.