Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fifidianana: manao antso avo ny GMMAR

Fifidianana: manao antso avo ny GMMAR

Niantso ny tompon’andraikitra isan-tokony ny filoha nasionalin GMMAR, i Mamy Jo, tao Toamasina omaly, fa mba hanomana trano fandraisam-bahiny manomboka ny 8 novambra ho avy izao. “Ho avy any an-toerana izahay amin’io fotoana io hiambina ny voka-pifidianana”, hoy izy. Mialoha izany, nanome toromarika sy paikady rehetra entina hiatrehana mialoha sy aorian’ny fifidianana ho an’ireo mpikambana ny tenany. “Anisan’izany ny handaniana “1ere tour” ny filoha Rajoelina sy hahazoana hatrany amin’ny 80%”, hoy ihany izy. Niantso ireo kandidà sy ireo mpomba azy ireo koa ny tenany hatao am-pirahalahina sy mangarahara ary am-pilaminana ny fifidianana. “Tompon’andraikitra amin’ny zava-misy eto ireo mivaona na mamalan-kira. Izahay tanora sy ny mpikambana ao anatin’ny GMMAR, efa vonona hiatrika fifidianana sy hiomana ny ampitson’ny fifidianana”, hoy ihany izy. Nohitsiny fa tsy azo ekena ny fanodinkodinana ny safidim-bahoaka. Niantso ny vahoaka izy ireo hifidy ny kandidà Rajoelina, laharana faha-13, hitondra ny fanafody farany hanasitranana ny firenena.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.