Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Antsararay: mpifoka rongony nidoboka am-ponja

Antsararay: mpifoka rongony nidoboka am-ponja

Nidoboka am-ponja avy hatrany ilay lehilahy, 31 taona, saron’ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria eny Antanety Ambohimanarina, ny alarobia 2 novambra 2018 lasa teo noho ny fifohana ankalamanjana rongony. Araka ny fanazavan’ny polisy, nandalo teny amin’ny faritra Antsararay sy Antanety Ambohimanarina ireo polisy mpanao fisafoana avy ao amin’ny kaomisaria. Tamin’izany indrindra no nisy lehilahy iray nijorojoro teo akaikina dabam-pako iray ary mbola teo am-pifohana rongony izy tamin’ny fotoana nisamboran’ny polisy azy. Nentin’ny polisy nanaovana fanadihadiana avy hatrany izy taorian’izay. Nandritra ny famotoran’ny polisy, fantatra fa mponina eny Antsararay Ambohimanarina ity lehilahy ity. Fantatra ihany koa fa efa fotoana maharitra ny nifohany rongony, araka ny fanazavany tamin’ny polisy. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotoran’ny polisy ka izao naiditra am-ponja izao. Voalaza fa mody mifoka rongony ireny jiolahy ireny mialoha ny hanaovan’izy ireo ny asa ratsiny.

J.C

Les commentaires sont fermées.