Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toamasina: mpiasan’ny kaominina sy rangahy iray nisy nitifitra

Toamasina: mpiasan’ny kaominina sy rangahy iray nisy nitifitra

Tsy milamina Toamasina… tao anatin’ny 24 ora, olona telo no indray  notafihina andian-jiolahy mirongo fiadiana ary mbola samy tsaboina ao amin’ny hopitaly be avokoa ireo.

 Mpivady ny roa amin’ireo raha ny mpiasan’ny kaominina, kosa ny fahatelo.

Ny tolak’ andron’ny alarobia teo, nisy mpivady avy nitondra  entam-barotra tao Toamasina ka nihazo fodiana any Ivoloina no nisy nanafika tamin’ iny lalam-pirenena fahadimy iny, raha vao niala ny taksibrosy nitondra azy. Raha ny angom-baovao, tifitra teo amin’ny tongotra ny nahavoa ilay rangahy, raha nahazo daroka niampy tombok’ antsy kosa ilay ramatoa. Voaroba ny vola vidin’ entana tao Toamasina.

 Ny faharoa kosa, ny marainan’ny alakamisy voalohan’ny volana novambra tokony ho tamin’ny 8 ora sy 30 minitra, notafihina andian-jiolahy tao Tanambao Verrerie parisela 21/73, talen’ny sampana misahana ny maha olona teo aloha, tao amin’ny kaominina  ambonivohitr’ i Toamasina. Nadritra ny fitantanan’ny filohan’ny delegasiona manokana, Atoa, Toalina Zafindrabary ary lasa mpitarika tolona nanohitra ny ben’ny Tanàna taty aoriana ka hatramin’ izao, mijoro ho mpanohitra an’ i Ratsiraka Elysé ary anisan’ ireo mpiasa notapahina karama.  Amin’izay mahatapaka karama azy izay, nanangana kioska famarotana fahana finday sy fifanankalozana ara-bola amin ‘ireny tambanjotran-tserasera ireny ny lehilahy.

Omaly maraina, mandeha moto hanao ny asany izy ary  nitondra vola 2 tapitrisa Ar tao anaty sakaosy, vola izay hampiasaina amin’ny kioska. Mbola tsy tonga akory teny amin’ny toerana hiasany izy, nisy roa lahy manao taingin-droa amina moto mifanena aminy ary nitifitra avy hatrany ka voa teo amin’ny kibony izy ary nivoaka tao andamosina ny bala. Nofaohin’ ireo jiolahy ny sakaosy ary nandositra tamin’ny moto ilay roa lahy ny fokonolona

nanatri-maso kosa nanavotra ity niharam-boina, nitondra azy teny anivon’ny hopitaly be.

Mandeha ny fanadihadiana.

Sajo sy Yves S.

 

Les commentaires sont fermées.