Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Rallye virtuel »: hafana vay ny dingana farany

« Rallye virtuel »: hafana vay ny dingana farany

Antomotra ny daty hanatanterahana ny dingana farany amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara amin’ny “Rallye virtuel”. Fifaninanana izay hatao rahampitso asabotsy 3 novambra eny amin’ny Gascom Nooro Tower Ambohitrarahaba. Mbola mandray anjara hatrany amin’ity dingana farany ity ireo kalaza efa hita tao anatin’ny lisitry ny mpifaninana farany teo, toa an’Andriantsaina Ralahy Hoby (EvoX Alias Petroner). Izy izay mitàna ny laharana voalohany vonjimaika amin’ny filaharana ankapobeny. Manana isa 92, 50 ity mpanamory ity, taorian’ny fifaninanana notanterahina ny volana septambra lasa teo. Mbola ho tazana amin’ity lalao rahampitso ity ihany koa Ranaivosoa Rija (Subaru Impreza), antsoina hoe Ken, laharana faharoa ary manan isa 89, 25. Ity farany izay nandrombaka ny amboara, sokajy “Jeunes” amin’ny filaharana vonjimaika ary mampanantena hatrany ny hitazona io toerana io. Mpilalao fahatelo kalaza andrasan’ny maro ihany koa Andrianarison Vladmir (Mitsubishi Lancer EvoX) izay hanatevin-daharana amin’ity dingana farany ity. Hatreto, isa 87,00 no eo am-pelantanan’ity mpanamory iray ity. Rabarijohn Fabrice kosa no mpanamory anisany nanamarika isa ambony 77,00 ary tafapetraka eo amin’ny laharana fahefatra vonjimaika. Samy manana ny maha izy azy ireo mpifaninana miisa efatra ireo ary tsy hanaiky lembenana amin’ity ady farany ity. Ny hitondra ny anaram-boninahitra eo amin’ny “Rallye virtuel” malagasy no tanjon’ny tsirairay.

Na eo aza ny fandraisana anjaran’ireo efa manana traikefa ireo, mbola saika ho hita ao anatin’ny lisitra avokoa ireo efa nilalao teo aloha ary samy nanome toky ny hiady mafy avokoa. Raha atao anefa ny tambatr’isa, somary ho sarotsarotra ny hanenjika ireo efa lasa lavitra ireo satria ahitana elanelana ihany ny isan’ny tsirairay. Marihina fa loka goavana no hiandry izay ho tompondaka amin’ity taona 2018 ity.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.