Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rabeharisoa Saraha: Hanohana ny kandidà Rajoelina

Rabeharisoa Saraha: Hanohana ny kandidà Rajoelina

Resy lahatra. « Tsy maintsy nandray fanapahan-kevitra matotra izahay, ho an’ny tombontsoa ambonin’ny firenena ka hanohana sy hampandany ny kandidà Rajoelina amin’ny fifidianana », hoy ny filoha nasionalin’ny antoko PLD, Rabeharisoa Saraha, teny Antsakaviro, afakomaly. Nanteriny fa tena nandinika lalina ny antoko ka hany vahaolana tokana hivoahana amin’izao olana sarotra lalovan’ny firenena izao ny vina IEM, naorin’ny kandidà laharana faha-13. « Mazava ny voasoratra ao fa ho any amin’ny fampandrosoana ny firenena. Tsy mifanalvitra amin’ny vina sy ny tetikasanay ny IEM », hoy ihany ny kandidà laharana faha-9.  Hampitsahatra ny fampielezan-keviny ny tenany ka hampandany ny kandidà Rajoelina. « Paikady politika efa voadinika tsara izany ka tsy tokony hanana ahiahy ny mpikambana sy ny mpanohana anay », hoy izy.

Etsy andaniny, mitsipaka tanteraka ny fitakian’ireo kandidà 25 ny tenany. Hampidi-kizo ny firenena ny fanakorontanana, kasain’ny sasany hatao, araka ny nambarany.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.