Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kaominina: 17,430 tapitrisa euros ho an’ny fitsinjaram-pahefana

Kaominina: 17,430 tapitrisa euros ho an’ny fitsinjaram-pahefana

Vita ny 31 oktobra teo ny sonia famatsiam-bola fanindroany ho an’ny fandaharanasa momba ny fampandrosoana ny kaominina sy ny fitsinjaram-pahefana  (PDCID-II). Famatsiam-bola avy amin’ny fanjakana alemaina, banky KFW, nahitana ny solontenany, Rtoa Cornelia Tittmann sy ny masoivohon’ny Alemaina, i Harald Gehrig ; ny andaniny, Malagasy notarihin’ny minisitry ny Vola, Andriambololona Vonintsalama, ny minisitry ny Atitany, Razafimahefa Tianarivelo sy  ny talen’ny FDL, Raharinjatovo Hanitra.

17,430 tapitrisa euros ny fandaharanasa iarahan’ny banky KFW, ny governemanta ary ny FDL mpandrindra ny asa rehetra. 16,6 tapitrisa euros amin’io tetibola io fanomezana avy amin-dry zareo Alemaina ; 830.000 euros izany avy amin‘ny fanjakana malagasy amin’ny alalan’ny hetra sy haba ho fanatanterahana ny tetikasa sy fandraisana mpiasa, ny trano fiasana foibe ary ireo sampana  manatanteraka ny asa.

Ny hametrahana fotodrafitrasa any am-potony no kendrena  sy fanampiana ny kaominina any ambanivohitra hahaleotena amin’ny fitantanana. Fandaharanasa voalohany, fanamboarana sekoly, lalana, tsena, tranom-panjakana. Faharoa, fanohanana ireo mpiasan’ny kaominina amin’ny andraikitra sahaniny. Marihina fa misy solontenan’ny KFW eto manara-maso ny fanatanterahana ny ampahany voalohany amin’ny tetikasa ( PDCID -I ), natomboka  ny taona 2015 hatramin’ny 2020, nanokanana 11,55 tapitrisa euros ho an’ny faritra Boeny sy Diana.

 

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.