Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fitantanam-bola: zandary 30 nahavita fiofanana

Zandary miisa 30 mianadahy no navoaka tamin’ny fomba ofisialy, ny 29 oktobra 2018 lasa teo tao amin’ny Toby Jly Ramarolahy ao Betongolo. Niofana momba ny fitantanana sy fandraharahana ara-bola ireto zandary ireto. Naharitra dimy volana ny faharetan’ny fiofanana narahin’izy ireo teo anivon’ny direction administrative et financière ka CS1 – CS2 (Certificat de spécialité de 1° et 2nd degré) en administration ny mari-pahaizana azon’izy ireo tamin’izany.  Avy amin’ny toby maro manerana ny Nosy izy ireo no afaka tamin’ny fifaninanana, nanaraka izao fianarana izao, hafindra avy hatrany eny amin’ny toerana hahafahan’izy ireo mampihatra ny fahaizana norantoviny  aorian’izao famoahana azy ireo izao. Ankoatra ny fahaizana norantoviny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena, maro amin’ireo mpiofana no manana ny mari-pahaizana momba ny fitantanana tany amin’ny sivily. Hanao fampiharana mandritra ny roa taona eo ho eo, na mahery izy ireto alohan’ny hanarahany indray ny fiofanana ambonimbony kokoa dia ny BS1 na Brevet de spécialité du 1° degree en administration, izay misy ny atao eto an-toerana ihany ary misy kosa ny any am-pitandranomasina. Samy fifaninanana avokoa no ahafahana manao ireo fiofanana ireo.

J.C

Les commentaires sont fermées.