Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Basikety – 3×3 Africa: iray vondrona amin’i Togo sy Burkina Faso i Madagasikara

Herinandro tsy hanombohan’ny fifaninanana Africa 3×3, taranja basikety, fantatra ny vondrona misy an’i Madagasikara. Ny firenena Togo sy Burkina Faso, araka izany, no miray vondrona amin’ny ekipa malagasy mandritra ity lalao izay hotanterahina ny 9 ka hatramin’ny 11 novambra, any Togo ity.

Ao anatin’ny vondrona D no misy an’i Madagasikara amin’ny lalao fiadiana ny tompondaka Afrikanina 3×3, taona 2018. Azo lazaina ho tsy dia hanano sarotra ho an’ny mpilalao malagasy ny hifanandrina amin’ireto firenena roa ireto satria mitovitovy ihany ny traikefa. Mety hanana tombony anefa ny ekipan’ny Togo amin’ny maha mpampiantrano azy. Marihina fa fanindroany amin’izao ity farany no handray ny fifaninanan Africa 3×3.

Raha tsahivina ny ekipa nigeriana no nandrombaka ny fandresena ho an’ny sokajy lehilahy ra toa ka ry zareo Maliana kosa no nibata ny amboara ho an’ny sokajy vehivavy.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.