Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ahina ho famoizam-po: hita faty tetsy Ikopa ilay vehivavy mpampianatra

Ahina ho famoizam-po: hita faty tetsy Ikopa ilay vehivavy mpampianatra

Famoizam-po ? Hitan’ny fokonolona, omaly vao maraina tetsy amin’ny reniranon’Ikopa eny amin’ny digy ny fatin’ny vehivavy iray mpampianatra eny Bemasoandro, ary monina etsy Antsahakely Fiombonana Itaosy. Voalazan’ny manodidina fa nihazakazaka izy ary nitsoraka avy hatrany tao anaty rano. Tombanan’ny maro fa ny fahitana ny vadiny ho nampirafy azy ny anton’izao mety ho famonoan-tena izao. Efa mandeha ny fanadihadiana sy ny famotorana.

Tsiahivina fa telo ny zanak’izy ireo ary vao fito volana monja ny farany.

Niteraka fanehoan-kevitra samihafa eny amin’ny fiaraha-monina eny an-toerana ity raharaha ity. Hatrany anaty tambajotran-tserasera koa aza samy manana ny fijeriny sy ny fahitany izany.

Randria

Les commentaires sont fermées.