Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Volana novambra: hanomboka ny fiforonan’ny rivodoza

Ny herinandron’ny 5 hatramin’ny 11 novambra izao, ho feno ny fepetra mety hiforonan’ny rivodoza any amin’ny ranomasimbe IndiaNIna, raha ny vinavinan’ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby. Tsy ahina hiantraika eto Madagasikara anefa izany amin’izao fiandohany izao. Tsy ahina koa ny mety hiforonan’ny rivodoza eto Madagasikara mandritra ny herinandro voalohany, 29 oktobra hatrami’ny 4 novambra.

Mikasika ny rotsak’orana, ho antonony izany (50 hatramin’ny 75 mm) ho an’ny distrikan’i Mananjary, i Manakara, i Vohipeno, i Farafangana, i Midongy Atsimo, i Vangaindrano ary i Taolagnaro amin’ny herinandro voalohany,  29 oktobra hatramin’ny 4 novambra.

 Ny herinandro faharoa indray, izany hoe, ny 5 hatramin’ny 11 novambra, antonony ny rotsak’orana (50 hatrami’ny 100 mm) ho an’ny distrika ao amin’ny faritra Sofia, Alaotra Mangoro ary ny distrikan’Ambanja, i Tsaratanana, Anjozorobe, i Manjakandriana, Andramasina, Ambatolampy, Antanifotsy, i Marolambo sy Ikongo.

Akoatra izay, malefaka na antonony izany (25 hatramin’ny 50 mm) ho an’ny distrikan’ny faritra Boeny, Betsiboka, Analamanga, Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Ihorombe, Atsinanana, Vatovavy Fitovinany ary Atsimo Atsinanana.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.