Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tratra namaky trano: naiditra eny Antanimora sy Anjanamasina ireo jiolahy

Tratra namaky trano: naiditra eny Antanimora sy Anjanamasina ireo jiolahy

Jiolahy miisa efatra indray voasambotry ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Itaosy teny Ambohidrapeto, ny zoma hifoha asabotsy teo. Nandritra ny fisafoana nataon’ny zandary no nahatrarana ireto jiolahy ireto teo am-pamakiana trano. Nandositra izy ireo raha vao nahita ireo zandary ka raikitra ny fifanenjehana. Noraisim-potsiny ny jiolahy roa. Nanondro ireo namany izy roa lahy, tratra koa ny roa ambiny. Nahitana lakile hosoka miisa 49 sy barre à pince tany amin’izy ireo nandritra ny fisavana nataon’ny zandary. Niaiky ry zalahy fa maro ny vaky trano nataon’izy ireo ka tao amin’ny fokontany Antsahamasina, Antanetibe ary Ambohidrapeto no tena nanaovan’izy ireo ny asa ratsiny. Ireo entana halatra kosa dia hamidin’izy ireo eny Anosibe sy Isotry.

J.C

Les commentaires sont fermées.