Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toliara: telo maty vokatry ny fihinanana trondro geba

Toliara: telo maty vokatry ny fihinanana trondro geba

Na efa norarana aza ny fihinanana trondro toy ny geba na “sardine”, nisy ihany ny olona nividy ka nihinana izany, tany Toliara. Olona telo no fantatra fa maty, ary nisy ny olona marary any amin’ny hopitaly.

Telo ny maty omaly ka ankizy ny iray, vokatry ny fihinanana geba na “sardine”, ny talata lasa teo tany Toliara.  Roa ambinifolo ny niditra tao amin’ny Hopitaliben’i Toliara ary ny folo kosa, teny amin’ny hopitaly manara-penitra. Ny dimy, efa nampodiana rehefa nahazo fitsaboana fa ny sisa, mbola eny amin’ny hopitaly. Marihina fa fianakaviana iray miampy ilay mpivarotra io hazandrano io sy olona iray hafa nividy taminy no teny amin’ny hopitaly manara-penitra. Fa ny teny amin’ny Hopitalibe kosa, avy amin’ny fiakaviana samy hafa. Araka ny fanazavana nataon’ny solontenan’ny fianakaviana, noho ny fahitana ny saka maty no nahataitra azy ireo na nisy nandoa aza ny ankizy tao an-trano ka samy nirohotra teny amin’ny hopitaly ny rehetra. Efa mandray an-tanana ny fitsaboana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamana manoloana ny zava-misy. Marihina fa nifanindran-dalana amin’ny fanambarana nataon’ny tomponandraikitra eo anivon’ny sampandraharaha ny jono izao voina izao amin’ny fampahafantarana ny rehetra fa tsy azo atao ny mihinana karazana trondro toy ny geba, pepe ary ny tsy fihinana ny lohan’ny trondro vaventy toy ny saboto, lanora, lamatra manomboka ny voalohan’ny volana novambra ka hatramin’ny faran’ny volana marsa.  Raha tsiahivina, ny fihinanan’ireto karazana trondro ireto lomotra misy poizina mandritra ny fotoana mafana toy izao no miteraka ny fahafatesana raha sendra mihinana ireo trondro ireo ny mponina amoron-dranomasina ary matetika, aty atsimo no tratra toy izao isan-taona raha tsy mitandrina.

CMS sy Yves S.

 

Les commentaires sont fermées.