Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Teny amin’ny CSB: nilaharana ny fanaovam-baksiny miaro amin’ny kitrotro

Teny amin’ny CSB: nilaharana ny fanaovam-baksiny miaro amin’ny kitrotro

Nahasarika ny renim-pianakaviana sy ny mpikarakara zaza ny hetsika fanaovam-baksiny miaro amin’ny aretina kitrotro, nanomboka omaly ary hitohy hatramin’ny faran’ny herinandro. Nirohotra teny amin’ny CSB manakaiky azy avy izy ireo rehefa nahafantatra fa mety hitondra amin’ny fahajambana sy ny fahafatesana ny trangana kitrotro eo amin’ny ankizy latsaky ny 5 taona. Nisy koa ny mpitantana sekoly nanaiky ny handray ny mpanao vaksiny tany an-dakilasy fa nanontaniana kosa ny ray aman-dreny raha vonona ny hampanao na tsia ny zanany. Eto an-dRenivohitra no tena ambany ny tahan’ny fanaovam-baksiny miaro amin’ny kitrotro satria manodidina ny 22% monja, araka ny fanazavan’ny talen’ny fampiroboroboana ny fahasalamana ao amin’ny minisitera mpiahy. Porofon’ny tsy fahazotoana manao vaksiny ny fipariahan’ny aretina kitrotro tao anatin’ny fotoana fohy amin’ny distrika efatra ato anatin’ny faritra Analamanga. Raha toa voan’ny aretina kitrotro ny zaza efa mianatra, tokony hanatona mpitsabo avy hatrany ary tsy mahazo miverina any an-tsekoly, raha tsy mahazo taratasy avy amin’ny dokotera. Mifindra amin’ny fifampikasohana na koa amin’ny kohaka sy ny piti-drora ny kitrotro eo amin’ny zaza marary sy ny salama. Raha tsy vita vaksiny ny zaza iray na nifindran’ny aretina kitrotro, mety marary maso na marary tenda sy marary ny tratrany. Miharo fanaviana, indraindray, ary mirotsaka ny ranomasony.

Ho an’ny CSB II ao Anosizato Andrefana, distrikan’Atsimondrano, 4 000 ny zaza kendrena ho vita vaksiny miaro amin’ny kitrotro hatramin’ny fiandohn’ny herinandro ambony.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.