Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

IFM: ho «Novambra niomerika» ity volana ity

IFM: ho «Novambra niomerika» ity volana ity

Hiavaka ny lohahevitra voizin’ny Institut français Madagscar (IFM) amin’ity volana novambra ity. Hifandraika tanteraka amin’ny tontolon’ny teknolojia ny «Novambra niomerika», hanomboka rahampitso ka tsy hifarana raha tsy ny 27 novambra ho avy izao. Ho maro hifanaraka amin’izay ihany koa ny seho ho hita ao amin’ny IFM Analakely. Hahazo laka, ohatra, ny fikarohana sy ny zava-bitan’ireo mpikaroka. Hotanterahina amin’ny alalan’ny fampirantiana, ny velakevitra, ny atrikasa, sns, ny fandaharam-potoana amin’izany.

Anisan’ny hiavaka ao anatin’ny «Novambra niomerika» ny hotontosaina ny 27 novambra tolakandro. Fanazavana an-tsary ireo lalao tafiditra ao anatin’ny «Lomay», anisan’izany ny «Dahalo» sy «Gazkar». «Dahalo», kilalao mampitaintaina manoloana ny hoavin’ilay tovovavikely miaina sy monina any amin’ ny faritra misy dahalo. «Gazkar», kilalao hiaka faharoa ho an’ireo mankafy ny fifaninanana fahaizana mitondra fiara haingam-pandeha. Mandritra ity andro ity ihany koa no hanehoan’ireo mpiangaly ny «3D» ny fahaizany eo amin’ny fikirakirana izany teknolojia izany.

HaRy Razafindrakoto

 

 

Les commentaires sont fermées.