Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

CMEST – Akademia malagasy: “Mila fahamarinana ny fifidianana”

CMEST – Akademia malagasy: “Mila fahamarinana ny fifidianana”

“Matetika loatra ny tsy fanarahana sy ny tsy fampiharana ny lalàna eto amin’ny firenena malagasy ankehitriny. Manjaka ny didiko fe lehibe, ny tsimatimanota, ny fividianana ny safidin’ny olona sy ny kolikoly samihafa, hany ka mandry tsy lavo loha ny vahoaka ary very fanahy mbola velona toy ny valala voatango.”

Io ny fanambaran’ny Vaomieram-pirenena malagasy mitandro ny hasina maha olona eo amin’ny Siansa sy haitao na ny Comité malgache d’éthique pour les sciences et technologies (CMEST), eo anivon’ny Akademia malagasy, teny Tsimbazaza, afakomaly, manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny amin’ny fiatrehana ny fifidianana.

Manao sonia izany ny filohan’ny CMEST, ny Pr Rakotomaria Etienne. Mifandray amin’ny Vaomiera maneran-tany mitandro ny hasina maha olona eo amin’ny Siansa sy ny haitao na ny Commission mondiale d’éthique des connaissances scientifiques et des technologies (COMEST-Unesco) ny CMEST.

Noho izany, manao antso ny vaomiera mba  hotandrovina toy ny anakandriamaso ny hasina maha olona. Hajaina koa ny fahamarinana sy ny fahadiovana tanteraka amin’izao fifidianana izao, ary hampanjakaina ny fihavanana sy ny firaisankina ary ny fanahy maha olona.

Mila hatao vaindohan-draharaha ny fitsinjovana ny tombontsoan’ny besinimaro sy ny soa iombonana, araka ny fanambarana. Hampanjakaina ny fanajana ny teny nomena, ny lalàna, ny zo aman-kasina maha olona ary ny fahalalahan’ny hafa, ary hiara-kientana ny Malagasy hampandroso an’i Madagasikara, miara-miasa amin’ny firenen-kafa eo anivon’izao tontolo izao.

R. Nd.

Les commentaires sont fermées.