Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Besely: sefom-pokontany nahatrarana toaka gasy 1 170 litatra

Besely: sefom-pokontany nahatrarana toaka gasy 1 170 litatra

Nandritra ny fisavana nataon’ny zandary ny tanàna atao hoe Besely, kaominina ambanivohitra Mandabe, distrikan’i Mahabo, no nahatrarana toaka gasy miisa 51 bidao miaty 20 litatra sy tanaty barika manga miaty 100 litatra ary 50 litatra, afakomaly. Voalazan’ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary fa sefom-pokontany ny tompon’ireto toaka voarara ireto, saingy lasa nitsoaka izy. Teo am-pikarohana ny dahalo raindahiny antsoina hoe Salama ny zandary no nahita ireto toaka gasy marobe ireto.

J.C

Les commentaires sont fermées.