Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tantara an-tsary: andiany fahatelo ny « Ambatonamelankafatra »

    Tantara an-tsary: andiany fahatelo ny « Ambatonamelankafatra »

    Nanana ny anjara toerany lehibe teo anivon’ny fiarahamonina ny tantara an-tsary malagasy tany amin’ny taona 1980 ka hatramin’ny taona 1991 teo ho eo. Nihalefy tsikelikely izany taty aoriana. Anisan’ny fanarenana izany ny antom-pisian’ny hetsika “Ambatonamelankafatra”, nanomboka ny taona 2014. Manomboka ny 28 novambra ka hatramin’ny 5 desambra ho avy izao, ao amin’ny Tahala Rarihasina Analakely kosa no hanatanterahana ny andiany fahatelo.

    Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana amin’izany ny fampirantiana ny angano sy ny tantara an-tsary, ny tantara an-tsary sy ny fanabeazana, ny sary sy ny fampianarana (iarahana amin’ny Clé Hobby), ny sary amin’ny sakafo (miaraka amin’ny Tout Mini). Ao ihany koa ny fanaovan-tsary mivantana sy lalao samihafa.

    Anisan’ny hokendren’ny hetsika “Ambatonamelankafatra” ny hiverenan’ny tantara an-tsary malagasy eo am-pelatanan’ireo mpankafy sy mpanohana hatrizay, raha ny fanazavan’ny mpikarakara. Endrika faharoa mampisongadina ity hetsika ity koa ny maha “Malagasy 100%” azy, toy ny mpikarakara, ny mpanohana ary ny mpandray anjara.

    … Angano sy ny tantara an-tsary. Maro ny efa nitrandraka azy io kanefa mbola vitsy ihany izany raha oharina amin’ny haren’ny kolontsaina malagasy. Ny Tantara an-tsary sy ny fanabeazana. Hanasongadinana fa tsy fialamboly ihany ny tantara an-tsary fa azo anabeazam-bahoaka ihany koa. Ny sary sy ny fampianarana. Hanasongadina fa ny taranja rehetra atao any an-tsekoly, afaka tohanana amin’ny alalan’ny tantara an-tsary, sns.

    HaRy Razafindrakoto

     

    Les commentaires sont fermées.