Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Roso ny fifidianana: nanome fitaovana ny Ceni ny Sinoa

Roso ny fifidianana: nanome fitaovana ny Ceni ny Sinoa

Tsy misy mihemotra izany intsony. Nitondra ny fanohanany sy fanampiany hiatrehana ny fifidianana ny fitondrana sinoa. Nanolotra moto sy ordinatera miaraka amin’ny kojakoja samihafa, miisa 10 avy, ny Ceni ny ambasadaorony miasa sy monina eto amintsika, i Yang Xiaorong, omaly.  Notanterahina teny amin’ny masoivoho sinoa eny Nanisana, omaly, izany ary nisolo tena ny Ceni tamin’ny fanaovan-tsonia ny tale misahana ny vola eo anivon’ity rafitra mikarakaraka ny fifidianana ity, Ratsimbazafy Haja. “Manohana tanteraka ny firosoana amin’ny fifidianana izahay. Hajainay tanteraka ny ho safidin’ny vahoaka malagasy ary mba ho ao anatin’ny fitoniana sy filaminana tanteraka izany », hoy ny ambasadaoro.

Araka izany, miroso ny fifidianana. Efa feno ny vola hanaovana izany fa eo koa ny fampitaovana avy amin’ireo mpiara-miombona antoka.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.