Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kandidà Rajoelina: « Hitondra fanantenana fa tsy fahantrana aho… »

Kandidà Rajoelina: « Hitondra fanantenana fa tsy fahantrana aho… »

Nitohy tany Vangaindrano sy Nosivarika ary Mananjary ny fampielezan-kevitry ny kandidà Rajoelina, omaly. Nambarany tamin’izany fa hitondra fampandrosoana ny firenena ny tenany.

« Hitondra fanantenana fa tsy hitondra fahantrana aho. Vonona hitondra fandrosoana.  Mila fanavaozana sy fanovàna ny firenena. Hanapaka sy hanova ny tantaran’ny firenena isika, amin’ny 7 novambra. Tsy hamitaka sy tsy handainga aminareo aho », hoy izy tamin’ireo distrika telo ireo. Nohitsiny fa maro ny kandida, iray ihany ny tanora manana vina sy hanao ny ezaka rehetra hampandrosoana an’i Madagasikara. Ny fampandrosoana tsy hitantsika hatramin’izay, hataontsika ao anatin’ny fotoana fohy, araka ny nambarany. Nitodika amin’ireo andiana kandidà manohitra ny fifidianana ny tenany avy eo. “Efa eo amin’ny fiaingana vao misy milaza indray hoe ahemory ny fifidianana. Efa mahafantatra ny sasany fa ho resy. Mitady loza hoan’ny vahoaka malagasy izy. Tsy manaiky izany isika sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Tsy maintsy miroso mankany amin’ny fifidianana. Ampy izay ny fanabadoana sy ny fanaovana ho zazakely ny Malagasy”, hoy ihany izy. Natsidiny tamin’ireo faritra telo ireo ny vina sy ny tetikasa hotanterahiny rehefa eo amin’ny fitondrana. Anisan’izany ny hanamboarana ny lalana Vangaindrano-Masihanaka. Hapetraka ny foibe fanofanana araka asa ho an’ny tanora, hisehatra eo amin’ny fambolena sy ny fiompiana. Ny fampitomboana ny herinaratra, hampidinina ny vidin-jiro.

Fanafody maimaim-poana…

Eo koa ny fanamboarana kianja manara-penitra ho an’ny tanora mpanao fanatanjahantena. “Hatao laharam-pahamehana ny fanomezana fanafody maimaim-poana amin’ny aretin-kibo sy ny kohaka ho an’ny zaza. Hatao manara-penitra ary hovatsina fitaovana manara-penitra ny hopitaly », hoy ny kandidà laharana faha-13. Momba ny fanabeazana,  havaozina ny rafi-pampianarana hifanaraka amin’ny fandrosoana ary homena fanofanana manokana ireo mpampianatra Fram. Toy ny efa nambarany tany amin’ny faritra hafa, hatao manara-penitra ny EPP sy ny CEG ary ny lycée. Efa voasoratra ao amin’ny IEM ny fametrahana fandriampahalemana ka tsy maintsy resy ny dahalo… “Filoha hitsinjo ny vehivavy, ny tanora, ny tsy an’asa, ireo marofy aho. Ampio aho hahafahako manampy anao. Afaka valo andro ny ahafahantsika manova ny tantaran’i Madagasikara. Reseo lahatra ireo mbola misalasala fa vahaolana ny kandidà faha-13 », hoy izy.

Randria

Les commentaires sont fermées.