Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

HCC: « Tsy azo ovana intsony ny lisi-pifidianana »

HCC: « Tsy azo ovana intsony ny lisi-pifidianana »

Hentitra ireo mpitsara ambony. Anisan’ny nomen’ireo kandidà fe-potoana 72 ora hamaliana ny fitakiany koa ny eo anivon’ny HCC, ankoatra ireo rafi-panjakana hafa mikarakara fifidianana. Mazava ny valin-kafatry ny avy eny Ambohidahy. “Tsy azo kitihina intsony ny lisi-pifidianana raha tsy ovana ny didy hitsivolana na manova sy manafoana izany amin’ny alalan’ny lalàna fehizoro”, hoy ny fanambarana, nivoaka omaly avy amin’ny HCC. Tsy vitan’ny hitombo isa ny mpifidy amin’izany fa hiteraka fifanjevoana sy korontana eto koa izany.

Fanakorontanana ny fifidianana

Midika izany fa fanakorontanana ny saim-bahoaka sy ny fifidianana ny ataon’ireo kandidà 25, amin’izao fotoana izao, amin’ny fitakiana ny hanokafana indray ny lisi-pifidianana, hampidirana ireo tsy voasoratra anaty lisitra. Fanitsakitsahana lalàna sy ny lalàmpanorenana izany. Nanana adidy sy andraikitra amin’izany koa izy ireo. Tsy misy koa ny lisi-pifidianana tonga lafatra izany.

Randria

Les commentaires sont fermées.