Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Famonoana polisy tao Fenoarivo Atsinanana: nametraka fitoriana ny minisitry ny Filaminam-bahoaka

Famonoana polisy tao Fenoarivo Atsinanana: nametraka fitoriana ny minisitry ny Filaminam-bahoaka

Nametraka fitoriana eo anivon’ny fitsarana ambaratonga  voalohany eto Antananarivo ny minisitry ny Filaminam-bahoaka manoloana ilay raharaha famonoana polisy telo mirahalahy tao Fenoarivo Atsinanana, ny 24 oktobra 2018 lasa teo…

Nohamafisin’ny minisitry ny Filaminam-bahoaka tao anatin’ny fitoriana napetrany teny amin’ny fitsarana fa natao izao ho fampiharana ny didy aman-dalàna ary hanenjehana ireo olona nahavita izao heloka izao tamin’ireo polisy telo lahy. Miandry ny valin’ity fitoriana ity, araka izany, ny eo anivon’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka. Tsiahivina fa mbola mitana ny sain’ny maro ity raharaha famonoana polisy tany Fenoarivo Atsinanana ity. Efa nialohavan’ny fanambarana nataon’ireo sendikàn’ny “inspecteur” sy ny “brigadier” ary ny “agent de police” ity raharaha ity izay samy nanameloka ary mangataka ny fampiharan-dalàna sy handraisana fepetra faran’izay henjana amin’ireo nahavanon-doza. Nohamafisin’ny sendikà hatrany fa polisy nanatanteraka ny asany amin’ny maha polisy azy ireo ary manana taratasy fahazoan-dalana avy amin’ny lehibe naniraka azy. Nivadika fitsaram-bahoaka tampoka anefa izany ary tamin’ny fomba feno habibiana no nanaovan’ireo andian’olona ny famonoana azy telo lahy, raha ny fampitam-baovao voaray. Nahitsy hatrany izy ireo raha nilaza fa tsy eken’izy ireo ny fanelanelanana, na avy amin’iza, na iza fa handraisana fepetra hentitra ireo nahavanon-doza. Mihorohoro ihany koa anefa ireo mponina ao Ambodihazinina Ambatoharanana, distrikan’i Fenoarivo Atsinanana. Voalazan’ny loharanom-baovao anefa fa efa vonona ary miandry ihany koa ny fokonolona ao an-toerana amin’ny mety ho tohin’ity raharaha ity. Manahy ny mponina ao amin’ny faritra Analanjirofo sao hivadika, toy ilay raharaha tao Antsakabary ny tohin’ity raharaha ao Fenoarivo Atsinanana ity.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.