Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Barikadimy: saron’ny Fip ireo jiolahy nandroba orinasa

Barikadimy: saron’ny Fip ireo jiolahy nandroba orinasa

Nanao fikarohana avy hatrany ny polisin’ny Fip, taorian’ny fandrobana nataona andian-jiolahy ny magazay iray mpikirakira momba ny fanondranana letisia sy ireo karazam-bokatra avy amin’ny tantsaha maro ao amin’ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo ao Barikadimy Toamasina, ny zoma 19 oktobra 2018 alina teo, nahaverezana entana sy fitaovana mitentina antapitrisany maro. Nahitam-bokany izany satria voasambotra, omaly ny roa tamin’ireo jiolahy tompon’antoka tamin’ity fanafihana ity. Araka ny fanazavan’ny polisy, mpiasa ao amin’ilay orinasa ihany ry zalahy ireto. Nilaza izy ireo nandritra ny fanadihadian’ny polisy fa efa namidin’izy ireo tamin’ny mpividy “aluminium” ao Ambolomadinika ireo entana nangalarina, ahitana kojakoja fampiasa amin’ny fanaovana kaonfitiora mitentina 50 euros nefa namidy 3 hetsy Ar ny telo gony tamin’ireo fitaovana ireo. Miisa 200 isa ireo kojakoja fanaovana kaonfitiora letisia. Tratra tamin’io fotoana io koa ny ramatoa iray nividy ireo entana halatra ireo. Mividy “aluminium” ao Toamasina ary mivarotra izany any amin’ny mpanao vilany any Ambatolampy.

Sajo sy J.C

Les commentaires sont fermées.