Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Ankadikely: tratra ireo jiolahy nahafaty frantsay

    Ankadikely: tratra ireo jiolahy nahafaty frantsay

    Nidoboka eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ny telo amin’ireo jiolahy raha eny eny Antanimora kosa ny vehivavy iray tompon’antoka tamin’ny fanafihana miharo vonoan’olona nihatra tamina teratany frantsay iray teny Ankadikely Ilafy, ny alin’ny zoma lasa teo. Tonga ara-potoana ny zandary, saingy tsy nisy tratra ireo olon-dratsy, tamin’io fotoana io. Nitohy hatrany ny fikarohan’ny zandary ka voasambotra ny lehilahy iray sy ny vadiny nandositra tany Behenjy Ambatolampy. Izy ireo indray no nanoro ny namany hafa sy nitantara ny fomba nanafihany ka nahafaty ilay teratany vahiny. Voasambotra taorian’izay teny Ankadikely ihany koa ny vehivavy iray hafa izay nanafina ny iray amin’ireo jiolahy raha tratra tamin’ny vela-pandrika tamin’ny telefaonina finday kosa ny jiolahy roa hafa. Miisa dimy, araka izany, ireto andian-jiolahy tompon’antoka tamin’ity raharaha vonoan’olona ity. Nilaza izy ireo nandritra ny famotorana nataon’ny zandary fa ny ampaham-bola sisa no tratra tany amin’izy ireo fa ny entana very kosa efa lasan’ireo namany izay mbola tsy azo. Natolotra ny fampanoavana, omaly, ireto jiolahy ireto ka naiditra am-ponja ny efatra raha nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny vehivavy iray.

    Jean Claude

    Les commentaires sont fermées.