Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

67 ha: jiolahy tratra tao amin’ny toeram-pandihizana

67 ha: jiolahy tratra tao amin’ny toeram-pandihizana

Jiolahy miisa valo indray voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria eny 67 ha teny amin’iny faritra 67 ha sy ny manodidina iny, ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy, 29 oktobra 2018. Malaza ratsy amin’ny fanendahana eny 67 ha ry zalahy ireto, raha ny fanazavan’ny polisy. Nandritra ny fisafoana maraina nataon’ny polisy no nisy lehilahy iray mamo ary lavo teo amoron-dalana. Nisy olona telo hafa kosa manararaotra misava ny paosiny. Nanenjika ireo mpanendaka avy hatrany ireo polisy nanao fisafoana. Vokany, noraisim-potsiny ny iray ka nentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny polisy. Nitohy hatrany ny fisafoana nataon’ny polisy ka nifanehitra tamina andian-jiolahy maromaro indray ireo polisy, ny alatsinainy teo tamin’ny 3 ora sy 30 mn. Vao nahita ireo polisy ry zalahy dia niverin-dalana sady nandositra. Raikitra ny fifanenjehana ka tratra tao amina toeram-pandihizana iray eo 67 ha ny fito tamin’ireto jiolahy ireto. Tsy nahitana kara-panondro tany amin’izy ireo nandritra ny fisavana nataon’ny polisy. Fantatra nandritra ny fanadihadian’ny polisy fa tsy ampy taona ny efatra amin’izy ireo.

J.C

Les commentaires sont fermées.