Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sadi: mila hatsaraina ny fepetra mifehy ny ranomasina

Natao tamin’ny herinandro lasa teo, teny amin’ny foiben’ny Akademia malagasy Tsimbazaza, ny fivoriambe iraisam-pirenena, nokarakarain’ny Orinasa afrikanina mikasika ny lalàna iraisam-pirenena (Sadi). Niompana tamin’ny hoe “Afrika sy ny lalàna iraisam-pirenena mifehy ny ranomasina” ny lohahevitra noraisina.

Nanatrika ity fotoana ity ny Praiminisitra Ntsay Christian. Nambarany fa misy fiantraikany amin’ny fitantanana ny ranomasina ny olana mikasika ny fari-dranomasina. Ilaina ny lalàna mifehy am-pilaminana ny ranomasina.

Fitantanana maharitra

Nasongadin’ny filohan’ny Akademia malagasy, ny Pr Ranjeva Raymond, fa ilaina mandray fepetra vaovao mikasika ny lalàna iraisam-pirenena mifehy ny ranomasina, hiatrehana ny fanjonoana mihoa-pampana, ny fampiasana baranahiny ny harena an-dranomasina, ny jiolahin-tsambo, ny halatra sy ny trafika samihafa. Eo koa ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro manimba ny zavamananaina anaty rano.

Ho an’ny minisitry ny Jono sy ny harena anaty rano, Andriamananoro Augustin, hatao laharam-pahamehana ny fanatanterahana ny paikady “Toekarena manga”, hiarovana ny tontolo sy ny harena anaty ranomasina sy hitantanana maharitra azy ireny.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.