Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Maroantsetra: ravan’ny zandary ireo tambajotra mpanao vola sandoka

Saron’ny zandary tao an-tampon-tanànan’i Maroantsetra, ny herinandro lasa teo, ireo tambajotrana mpanao vola sandoka. Araka ny fanazavan’ny zandary, nandritra ny fisafoana notarihin’ny lehiben’ny kaompanian’i Maroantsetra, no nahatrarana jiolahy niaraka tamin’ny fitaovana fanamboarana vola sandoka. Miisa dimy ireo jiolahy tratra ka mpanamboatra vola sandoka ny telo amin’izy ireo raha mpanao trafikana zava-mahadomelina kosa ny roa. Fa mbola voarohirohy amina fanaovana trafikana lasantsy sy famotsiana omby koa ny sasany amin’ireo jiolahy ireo, raha ny tatitra avy amin’ny zandary hatrany. Tratra nandritra ny fisavana nataon’ny zandary ny vola sandoka miisa 19 amin’ny ravimbola 20 000 Ar, rongony milanja 1,5 kg ary lasantsy 246 litatra nentina nandehaleha tamin’ny alina nefa tsy nisy taratasy fahazoan-dalana mitondra izany. Naiditra “fourrière” koa ny omby miisa 29 nanaovan’ireo jiolahy taratasy hosoka ihany koa. Nitohy hatrany ny fikarohana nataon’ny zandary momba ity raharaha ity ka jiolahy iray hafa koa tratra, ny asabotsy teo, voarohirohy amina raharaha fanaovana vola sandoka ihany koa. Faritra izany malaza ratsy amin’ny fanaovana vola sandoka ny ao Maroantsetra ka mahatonga ireo zandary mamongotra hatrany ireo jiolahy mpanao trafika. Mitohy ny fanadihadiana momba ity raharaha ity.

J.C

 

 

Les commentaires sont fermées.