Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Hetsika lalam-pasika » – Toamasina: voasambotra ireo jiolahy, tratra ny mpimasy

« Hetsika lalam-pasika » – Toamasina: voasambotra ireo jiolahy, tratra ny mpimasy

Taorian’ny « Hetsika Mandio » nataon’ny zandarimariam-pirenena nanerana ny Nosy, niroso tamin’ny hetsika « Lalam-pasika » indray ny zandary eo anivon’ny vondron-tobim-pileovana Atsinanana, tarihin’ny Kly Ranaivoarison Théodule, kaomandin’ny vondron-tobim-pileovana. Ny faran’ny herinandro teo, nisy ny fidinana ifotony tao amin’ny fokontany Ambalamanasa izay voasokajy ho faritra mena ao an-drenivohitr’i Toamasina amin’ny tsy fandriampahalemana. Nahitam-bokany izany satria saron’ny zandary ireo jiolahy miisa valo niaraka tamin’ny raim-pianakaviana iray mpihazona odigasy sady mpimasin’ireo jiolahy ireo, araka ny fanazavan’ny zandary. Niainga avy amin’ny loharanom-baovao no nahafahan’ny zandary nisambotra ireto jiolahy raindahiny ireto. Tratra tao an-tranon’izy ireo, nandritra ny fisavana nataon’ny zandary, ireo odigasy marobe sy fitaovana fampiasa an-dakozia, karazana zavamaneno maro ary entana sarobidy hafa. Nohamafisin’ny zandary fa tombanana ho eo amin’ny iray taonina eo ireo entana halatra mbola hitadiavan’ireto jiolahy ireto mpividy. Nambaran’ireo fokonolona ao an-toerana fa efa an-taona maro ireo jiolahy ireo no nampihorohoro tao amin’ny fokontany Ambalamanasa hatrany Ivoloina RN 5, saingy matahotra valifaty ny fokonolona ka tsy sahy mampilaza amin’ny mpitandro filaminana. Nilaza kosa ny Kly Ranaivoarison Théodule fa naratra noho ny fifanenjehana azy nandositra ny iray amin’ireo jiolahy ka mbola manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly. Iray amin’ireo jiolahy nokarohina hatry ny ela i Sampilahy Félix, noho izy voarohirohy tamina raharaha vonoan’olona tao Mangarivotra, ny taona 2017, fa izao kosa vao tratra.

Sajo sy J.C

Les commentaires sont fermées.