Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ankorondrano: nidina ifotony nanadio ny praiminisitra

Ankorondrano: nidina ifotony nanadio ny praiminisitra

 “Fahadiovana voalohany ny tsy fandotoana”, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian, nandritra ny asa fanadiovana faobe notarihiny teny amin’ny fokontany Ankorondrano Andranomahery.

Ezaka iombonana ny fanadiovana sy ny fidiovana ka tokony handray andraikitra tandrify azy ny tsirairay. Natao izao hetsika izao ho fanasoavana ireo mpiray fokontany aminy sy ho fisorohana ny firongatr’ireo valanaretina maro, toy ny pesta sy ny kitrotro, indrindra amin’izao vanim-potoan’ny fahavaratra izao.

Nambaran’ny praiminisitra fa laharam-pahamehana ny fifidianana, saingy mila jerena ihany koa ny sosialim-bahoaka.

Ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra, misy hatrany ny fanadiovana ataon’ny boriborintany, hanentanany ny mponina ao aminy.

Ny faran’ny herinandro teo, niara-nanadio tamin’ny miaramilan’ny RM1 ny fokontany Ambondrona, Ambodifilao, Soarano aryAnalakely.

Ho tohin’ny fanadiovana ny fokontany 44 ao amin’ny boriborintany I, tanterahina mandritra ity volana oktobra ity, izany.
Nanamafy ireo tompon’andraikitra fa na inona na inona asa ataon’ireo mpanadio, tsy tontosa izany raha tsy eo ny fiaraha-miasa sy ny fahatsapan-tena satria efa anisan’ny manadio rehefa tsy mandoto.

Tatiana A

 

 

Les commentaires sont fermées.