Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Angovo azo havaozina: tsy andoavan-ketra ny fanafarana fitaovana

Angovo azo havaozina: tsy andoavan-ketra ny fanafarana fitaovana

Natao tany Antsiranana, ny 24 sy 25 oktobra teo, ny Fivoriambem-pirenena mikasika ny angovo azo havaozina sy ny tontolo iainana (FNERE). Araka ny voafaritra ao anatin’ny Politika vaovao mikasika ny angovo eto Madagasikara (NPEM), ho avy amin’ny tohodrano ny 75%-n’ny herinaratra vokarina eto Madagasikara amin’ny taona 2030, avy amin’ny rivotra ny 5% ary avy amin’ny masoandro ny 5%. Izany hoe, avy amin’ny angovo azo havaozina avokoa ny 85%.

Nambaran-dRakotofiringa Marc, talen’ny fanadihadiana sy ny fandrindrana ny asa ao amin’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoran’afo, fa manana otrikarena amin’ny herinaratra avy amin’ny rano, manodidina ny 7 800 Mégawatts (Mw) i Madagasikara, 2 800 ora isan-taona avy amin’ny masoandro ary 200 Mw avy amin’ny rivotra.

Hampazoto ny mpampiasa vola sy ny PTF

Ankoatra ireo, misy ny fepetra samihafa noraisin’ny fanjakana hanatrarana ireo tanjona ireo, toy ny tsy fandoavana hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana fitaovana sy/na kojakoja mikasika ny angovo azo havaozina, hampazoto ny mpampiasa vola. Eo koa ny fanovana ny lalàna mikasika ny herinaratra sy ny fanitsiana ny Tahirimbolam-pirenena ho an’ny herinaratra (FNE).

Hampivoatra ny tontolon’ny herinaratra amin’ny famokarana, ny fitaterana, ny fitsinjarana, ny fampitaovana ireo voalaza ireo. Hanokatra lalana sy hampiitatra ny sehatry ny mpiara-miombon’antoka teknika sy vola (PTF) ihany koa.

Mitovy fijery amin’i Korea Atsimo

Naseho, nandritra ity atrikasa ity, ny voka-pikarohan’ny mpianatry ny oniversite. Etsy ankilany, nasaina manokana tamin’ny fotoana ny masoivohon’i Korea Atsimo miasa eto Madagasikara. Nambarany fa hanova ny paikadiny amin’ny fampiasana angovo koa izy ireo. Nahena ny famokarana angovo nokleary, nisy koa toby mandeha amin’ny arintany miisa 10 nakatona mialoha ny taona 2022. Ho an’ity firenena efa mandroso ity, tanjona ao anatin’ny vinany 2030 ny hamokarana herinaratra avy amin’ny tohodrano, 63,8 Gigawatts, avy amin’ny masoandro ny 57%-n’ny herinaratra vokarina ary avy amin’ny rivotra ny 28%.

Njaka Andriantefiarinesy

Les commentaires sont fermées.