Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Trafika sokatra-Toliara: migadra enin-taona ireo Sinoa roa lahy

Trafika sokatra-Toliara: migadra enin-taona ireo Sinoa roa lahy

Notsaraina, ny alakamisy 25 oktobra teo, ihany koa ireo teratany sinoa roa lahy, tamin’ny raharaha trafika sokatra tany Toliara. Toy ny an’ireo olona telo voasazy nahatrarana sokatra miisa 10 072, naiditra am-ponja, enin-taona sazy mihatra, koa ireo Sinoa ireo, miampy fandoavana onitra 50 tapitrisa Ar.

Ankoatra izany, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Dreef Atsimo Andrefana, natao anaty vala sady nanamboarana vata ahafahana mitondra sy mitatitra azy any amin’ny toerana manokana, toy ny any amin’ny « Tanànan’ny sokatra », ireo sokatra miisa 7 347 tratra tany Ihotry, kaominina Tongobory, distrika Betioky Atsimo, faritra Atsimo Andrefana. Tsiahivina fa miisa telo ihany koa ny olona tratra niaraka tamin’ireo sokata ireo. Andrasan’ny rehetra ny hisin’ny fanadihadiana lalina, hanenjehana ny ao ambadik’izao tambajotra mpanao trafika sokatra aman’aliny izao, ny atidoha sy ny mpiray tsikomba tsy ankanavaka.

Njaka A .

Les commentaires sont fermées.