Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rugby – «Gold Top 20»: hifampitana ny JSTA sy ny 3F5 Amboditsiry

Rugby – «Gold Top 20»: hifampitana ny JSTA sy ny 3F5 Amboditsiry

Hiditra amin’ny andro fahefatra ny fifaninanam-pirenena, taranja rugby “Gold Top 20”. Mbola samy manana herijika handresena avokoa ireo ekipa tsirairay. Toy ny mahazatra, hisy ny ekipa hanafika any amin’ny faritra.

Hitohy, rahampitso alahady 28 oktobra, ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “Gold Top 20”. Hisy ny lalao eto Antananarivo ary hisy ihany koa ny any amin’ny faritra. Raha ho an’ny eto an-dRenivohitra aloha, hotanterahina eny amin’ny kianja Makis izay fihaonana izay.

Lalao dimy ireo voalahatra amin’izany ka anisan’ny goavana ny fifandonan’ny JSTA Ambondrona sy ny 3F5 Amboditsiry. Adin’ny samy kartie io fihaonana io ary hiendrika famaranana kely. Miavaka hatrany mantsy ny fifandonana raha vao samy kartie, eo amin’ny baolina lavalava.

Hatreto aloha, manantombo kely noho ny traikefa ananany ry zareo Ambondrona. Na izany aza, manana ny ataony ihany koa Amboditsiry izay efa nahavita dingana goavana ihany koa teo amin’ny fifaninanana natrehiny.

Ankoatra izay, hanohitra ny TFA Anatihazo ny FBM Masoandro Itaosy. Hiezaka ny hanohy ny fahombiazana efa azony, tamin’ny herinandro las,a ny boaikelin’Itaosy, tsy azo hamaivanina mihitsy ny fahaiza-manaony ary manana ny mampiavaka azy ireo, amin’ny endri-dalao asehony.

Ny 3FB indray, hidona amin’ny UIRC. Heverin’ny rehetra fa manana tombony ny ekipan’ny minisiteran’ny Fahasalamana, manoloana ny mpilalaon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Mbola ady tsy vita ihany koa ny an’ny ASA Ambohimanarina sy ny XV Fa Ampasika. Lalaon’ny samy kartie ihany koa ka izay tsy mitandrina no ho resy. Hanokatra ny fotoana ny FTM Manjakaray sy ny XV Avenir Andohatapenaka.

Hanafika any Atsinanana kosa ny FTA Andavamamba ka hifanehatra amin’ny ekipan’Atsinanana. Hangotraka io lalao io satria tompondakan’i Madagasikara “Elite 2” ry zareo Atsinanana, hilalao eo an-kianjany.

 

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.